<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>430</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Endrika sariaka
 No anompoako Anao,
 Jehovah Ray
 Fa tapaka ny hevitro :
 Izaho dia olonao
 mandrakizay.
 He ny foko afa-jaly
 Tena ravo, sady falifaly,
 Ka : endrika sariaka
 No anompoako Anao
 Jehovah Ray.

[V2]
 Fa tsaroan'izany saiko,
 Mandra-maty
 ho tadidiko,
 Ny nanavotanao
 ny aiko,
 Ilay fanahy sarobidiko.
 Fa nomena fahendrena
 Izay ekena
 fa ny famonjena,
 Ka : endrika ..sns.

[V3]
 Be ny zavatra mihatra
 Mampahory
 sy mandrera-po ;
 Kanefa ireny
 tsy handratra
 Ny arovanao,
 ry Ilay Tsitoha.
 Fa ny fony tena tony
 Tsy mba kivy,
 tsy mba taitra intsony,
 Ka : endrika ..sns.

[V4]
 Misy ve ny mampanahy
 Sy ny zava-manahirana ?
 He, tsy kivy ny fanahy
 Fa hijoro, ka ho mirana,
 Fa Jehovah,
 Ray Mahery,
 Miandany
 sady koa mijery,
 Ka : endrika ..sns.</lyrics>
<title>Endrika sariaka FFPM430</title>
<author>Rajerimanana</author>
</song>